Sampan-draharahan’ny fananan-tany : Mankalaza ny faha 125 taona nisiany.
Tsy nitsahatra nisy fiovana ny tontolon’ny fananan-tany teto Madagasikara nandritran’izay fotoana lasa izay. Tafiditra ao anatin’izany ny torolalana maro mipetraka eny anivon’ny birao misahana izany mba hanorona ny olona tojo fahasahiranana amin’ny fikarakarana. Tsy vitsy tokoa mantsy ireo olona manana olana amin’ny adi-tany sy ny mahakasika azy eny amin’ny fitsarana. Io resaka fanan-tany io avokoa ny 80% ny raharaham-pitsarana eto Madagasikara. Mitarika ny mpiasa sy ny mpikarakara hanao kolikoly sy fahadisoana maro ny tsy fahafantarana ny fitsipika mifehy ireo antontan-taratasy eny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fanan-tany. Mitondra any amin’ny fanararaotana maro isan-karazany izany. Efa maro ihany koa anefa etsy ankilany ireo mpiasam-panjakana voatery noesorina tamin’ny asany vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy ny kolikoly nataony. Mandritran’ny fotoana fanokafana ny fankalazanan ny faha 125 taonan’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany no nilazany fa mbola hanao ezaka manokana izy ireo amin’ny fandraisana an-tanana ireo mpikarakara. napetraka tato ho ato ny fepetra vaovao hahazoana antoka ny fifanakalozana tany, mba hialana amin’ny fanaovana fahadisoana mitovy amin’ireo teo alohany. Fepetra vaovoa araka izany no hapetraka mba hahazoana antoka ny fahombiazan’ny fikarakarana, mba hialana amin’ny fanaovana fahadisoana mitovy amin’ny nataon’ireo mpiasa teo aloha.









