Seychelles : Handrafitra ny « première unité d’élite » ao amin’ny nosy ireo polisy niofana tao La Réunion
Raha tsiahivina dia polisy 16 avy tao Seychelles no niatrika fiofanana notarihin’ny GIGN (groupe d’intervention de la gendarmerie nationale) tao La Réunion nandritra ny roa herinandro. Vehivavy 3 ary lehilahy 13 ny polisy no solontenan’ny nosy tamin’izany ary nahazo fiofanana momba « parcours d’obstacles », fifampitifirana, ady (combat rapproché) sy ady amin’ny zava-mahadomelina sy ady amin’ny fampihorohoroana….
Rehefa tafaverina tao amin’ny nosy kosa izy 16 mianadahy ireo dia voafidy handrafitra ny « première unité d’élite d’intervention» ny polisy ao Seychelles. Izay maniry hanatevin-daharana azy ireo kosa dia tsy maintsy miatrika fiofanana ao La Réunion indray raha ny fanazavana.
