Maurice : Mbola tsy voafidy ny mpanazatran’ny ekipam-pirenen’ny taranja baolina kitra hiatrika ny JIOI 2023
Mbola afaka herinandro maromaro vao ho fantatra ny mpanazatran’ny ekipam-pirenen’ny taranja baolina kitra hiatrika ny JIOI 2023 ao Maurice. Efa manakaiky nefa ny datin’ny fifaninana aty Madagasikara. Manoloana izany dia miezaka manafaingana ny fanampahan-kevitra ny minisiteran’ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fialam-boly ao amin’ny nosy izay marihana fa tompon’ny teny farany amin’ny fanendrena ny mpanazatra vaovao ny Club M.
Anarana roa no tena misongadina amin’ireo kandida raha ny tatitra dia i Sarjoo Gowreesunkur sy Fidy Rasoanaivo. Raha tsy dia liana firy amin’ny lalao iraisam-pirenena i Sarjoo Gowreesunkur izay nilaza fa ny ao an-toerana no hifantoany kokoa dia tsy misaina toa azy i Fidy Rasoanaivo izay mpanazatra ny ASPL 2000.
