Ambohimanambola : Efa manomboka ireo fiofanana natolotry ny kaominina
Nosantarina tamin’ny herinandro teo ny fanombohana ireo fiofanana maimaim-poana izay nokarakarain’ny kaominina, niarahana niasa tamin’ny CFPF Antsofonondry. Taranja telo no indray nentina nisantarana izany, raha ny voalaza.
« Ny fianarana ny taranja informatika, ny fianarana zaitra ary ny fambolena no nentina nisantarana ny fiofanana teto amin’ny kaominina. Tonga maro ireo mpiofana ary navitrika tokoa. Mampiavaka ity fiofanana ity moa dia misy ny fampiharana mivantana ireo taranja hianarana » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Tena ilaina be amin’ny maha tanora ny fanarahana fiofanana tahaka izao, izay tsy fahita firy ka tsara ny manararaotra ny tolotra izay omen’ny kaominina, no sady fahaizana mipetraka ho an’ny tena afaka hampandrosoana ny tena » hoy i Holy, mponina ao Ambohimanambola.
Raha tsiahivina, fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ambohimanambola sy ny cfpf Antsofonondry no nanome izao fiofanana maimaim-poana izao, izay hahazoana mari-pankasitrahana amin’ny faran’ny fiofanana.
Manitra R.
