ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mila jerena akaiky ireo foto-drafitr’asa eo amin’ny lafin’ny fanatanjahan-tena

Mila fijerena akaiky sy fandehanana eny ifotony ny mahakasika ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Simba ary efa ela tsy nisy mpikarakara ireo kianja ka efa tsy manaraka ny fenitra intsony ireo kianja filalaovana baolina ao an-toerana, raha ny voalaza.

“Mba miangavy ny tomponandraikitra izahay tanora mpisehatra aminy taranja basket-ball eto Ambohimanambola mba hijery akaiky ny foto-drafitr’asa ity izay tena efa simba tokoa. Mila jerena ihany koa ny momba ny tanora ao anatin’izany satria voatery mitady kianja any an-toeran-kafa izahay rehefa hanao fanazara-tena” hoy ireo tomponandraikitra misahana klioba.

“Simba tanteraka ary efa ela tsy nisy fikarakarana ity kianja filalaovana baolina baskety eto ity. Mila fandraisana andraikitra sy fanamboarana fa mijaly ireo tanora mpitia sy mpilalao baskety” hoy I Tiavina, mpilalao ny taranja basket-ball.

Anisan’ny olana sedrain’ny tanora, tsy ny mpilalao ny taranja basket-ball ihany, fa na ireo taranja hafa toa ny baolina kitra, ny olana amin’ny faharatsiana ny kianja sy ny tsy fahampian’ny fikarakarana izany. Tsy ampy ary mila fikarakarana manokana ny sehatry ny fanatanjahan-tena ao amin’ity kaominina ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire