Fitaterana : Mbola miazoazo hatreto ny fampanarahan-dalàna ny « taxi-moto » eto Antananarivo Renivohitra
Dépêche 30 janvier, 15h, Mbola mijanona ho resaka an-databatra boribory hatrany amin’izao fotoana izao ny resaka mahakasika ny fampanarahan-dalàna ny « taxi-moto ». Etsy andaniny anefa dia efa mameno ny renivohitrta izy ireo na dia mbola tsy nahazo ny « licence » aza. Misy ihany koa ireo komity izay tokony efa hiasa hametrahana faingana izany fanomezan-dalana izany mba hahafahan’ireo mpiasa manao ny asany am-pitoniana.
