Comores : Nikatona tanteraka ny tranom-boky ho an’ny daholobe farany tao an-toerana
Nikatona tanteraka ny tranom-bokim-pirenena Salim Hatubou ao Moroni izay tranom-boky ho an’ny daholobe farany nisokatra tao Comores. Antony tsy fisian’ny famatsiam-bola sy ny fahapotehan’ny fanjakana ao amin’ny nosy.
Maro ireo manameloka ny fanjakana manoloana ny tranga. Isan’izany ilay mpanoratra ao amin’y nosy, Mohamed Toihiri. Nanamaivana ny fandraisana andraikitra manoloana ny kolotsaina sy ny fanampiana amin’ny fampiroboroboana izany fanjakana hoy izy. Nanamafy izany ny talen’ny « Centre de création artistique et culturelle des Comores », Soumette Ahmed izany nilaza fa tsy nahay nanararaotra ny tosika nomena azy nanatsarana ny lafiny fampianarana sy kolotsaina ny fanjakana.
Marihana nefa fa nisy booky hatramin’ny 11 000 isa tao amin’ny tranom-boky Salim Hatubou, nisy « DVD thèque » misy lohateny 500, « cyberespace » 10, « ludothèque » …
