ConseilTsidika

Torohevitra: Manadio tarehy feno tasy amin’ny akondro sy voasarimakirana

Olana lehibe, indrindra ho an’ny vehivavy ny fisian’ny tasy mainty amin’ny tarehy. Sady manimba ny endrika izy ireny kanefa sarotra esorina ihany koa na miverimberina matetika na efa betsaka aza ny fikarakarana atao amin’ny.

Tsara fantarina anefa, rehefa mikarakara ny hodi-tava dia ireo vokatra natoraly no azo antoka indrindra. Maro karazany izy ireo fa anjaran’ny tsirairay no misafidy sy mandanjalanja araka izay mety sy zakan’ny hoditra.

Anisan’ny manala ireo tasy mainty amin’ny tarehy toa ny panda izao ny akondro sy ny voasarimakirina. Ahoana ny fomba hikarakarana azy? tsotra ary mora atao; maka akondro sy voasarimakirana iray avy. Avy eo potserina ny akondro ary asina ny ranon’ilay voasarimakirana. Ahosotra amin’ny tarehy izany, indrindra fa eo amin’ny hisehoan’ny panda. Avela hilona hatramin’ny 15 minitra dia kobanina amin’ny rano matimaty avy eo.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire