ActualitésTsidika

Kolontsaina : Ho ankalazaina ao Analamaitso Analamahitsy ny androm-pirenena ho an’ny kabary

Androm-pirenena ho an’ny kabary, hankalazaina indray izany ny 15 janoary 2023 izao ao Analamaitso Analamahitsy. Mbola tena mitoetra sy ampiasaina amin’ny zava-mitranga rehetra eto Madagasikara ity fandaharan-teny iray mampiavaka an’ny Madagasikara ity hatramin’izay ka hatramin’izao. Fankalazana faharoa izao hatao izao indray.

« Anisan’ny antony tokony hankalazana izany androm-pirenena ho an’ny Kabary Malagasy izany ny tokony hamerenana izany indray hankafizin’ny olona ankehitriny indrindra fa ny tanora sy ny ankizy. Manabe sady mampianatra zavatra ary mitondra lesona samihafa ny kabary ka izany no tokony hampitana azy amin’ireo taranaka aty aoriana. Mba ihany koa tsy ho very hasina izany kabary izany », hoy ity mpampianatra kabary iray.

« Mankafy mihaino kabary aho ary tena miavaka izy amin’ny fandaharan-teny rehetra. Mba naniry ny hianatra sy hahay hikabary fa tsy tafiditra mihitsy. Fa mahaliana foana hatrany ny mihaino ireo mpikabary malagasy manana ny maha izy azy ireo. Azo lazaina ho olom-pahendrena ireny mpikabary ireny ka izany indrindra no tena mahaliana ahy amin’io tontolo io », hoy i Théo, mpankafy mihaino kabary.

Raha dinihina tokoa dia mbola mitana ny anjara toerany lehibe ny kabary amin’izao fotoana izao amin’ny zava-mityranga rehetra eto Madagasikara. Mbola ilaina ny mahay sy mahafantatra ny mahakasika azy. Hisy ny dia be hanehoana izany kabary izany ny 15 janoary miaingy eo Ivandry makany Analamahitsy ho fankalazana izany androm-pirenena izany. Marihina moa efa voasokajy ho « patrimoine culturel immatériel mondial » avy amin’ny ONU ny kabary Malagasy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire