Dépêches

Tontolo iainana : Ao Vatomandry no hanombohana ny taom-pambolena hazo amin’ity 2023 ity

Dépêche 10 janvier, 16h, « Izay mamboly hazo mamelona aina ; izay mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara », izany no teny filamatra ho amin’ity taom-pambolena hazo ity izay hanomboka ny 19 janoary izao. Hotanterahina ao Vatomandry ny lanonam-panokafana ny taom-pambolena. Manentana ny Malagasy rehetra  handray ny anjara birikiny ho an’ny tanin-janaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana, hanatrarana ny vina « Madagasikara rakotra ala ». 

Laisser un commentaire