Dépêches

Varotra sy fanjifana : Tsy misy atahorana ny mety ho fahalanian’ny vary amidy eny anivon’ny tsena

Dépêche 09 janvier, 15h, Nanao rodobe nidina teny amin’ny mpamongady ny entana ilaina andavanandro ny avy  amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC). Voalaza tamin’izany fidinana izany fa ampy tsara ny tahirim-bary ary atao izay hanaparitahana ny vary nafarana satria ireo no mora vidy kokoa noho ny vary avy eto an-toerana. Araka izany anefa dia tsy azo atao ny manafina entam-barotra fa misy ny sazy mifandraika amin’izany. 

Laisser un commentaire