Ankadikely Ilafy : Notokanana ireo efitrano fianarana vaovaon’ny EPP Masinandriana
Notokanana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo ny efitrano fianarana vaovao ho an’ny « préscolaire » ao amin’ny EPP Masinandriana, kaominina Ankadikely Ilafy. Araka ny voalaza, dia ny fikambanana KOZAMA (Kolo Zaza Malagasy) no nanolotra izany foto-drafitr’asa izany, ary niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny.
« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fanohanana sy ny fanomezan-danja ny sehatry ny fampianarana eto an-toerana. Tsy tontosa irery anefa ny fanatanterahana ny foto-drafitr’asa tahaka izao fa teo ny fiaraha-miasa sy ny fifanohanana amin’ny fikambanana sy ambaratonga maro izay misehatra amin’ny fanabeazana » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina.
« Anisan’ny dingana goavana eo amin’ny fampandrosoana ny fanaovana ezaka amin’ny fampiroboroboana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ka isaorana feno ireo tompon’andraikitra mahefa izany » hoy i Tsanta, renim-pianakaviana.
Ankoatra ny kaominina Ankadikely Ilafy izay nisitraka izao foto-drafitr’asa natolotry ny fikambanana KOZAMA izao moa, dia efa nisy ihany koa kaominina hafa nisitraka izany foto-drafitr’asa izany, izay efa niaraha-nitokana tamin’ny volana desambra lasa teo ny fitokanana izany tamin’ny fomba ofisialy.
Manitra Ramanantsoa
