Nosy Ve Toliara : Olona 9 voarohirohy tamin’ny fahafatesan’ireo « paille en queue »
Dépêche 06 janvier, 13h, Voronaa rovana « paille en queue » 80 no hita faty tao amin’ny Nosy Ve, Toliara. Olona miisa 9 kosa no voarohirohy tamin’izany tranga izany ka voaantso eny anivon’ny Zandarimaria. Vehivavy no efatra amin’izy ireo ary mpanjona izay nijanona teo amin’ny toerana tamin’io fotoana io. Mbola tsy nivoaka hatramin’izao ny tena antony mazava nahafaty ireto vorona ireto fa fa ahiaahiana ho nisy fihazana tsy ara-drariny. Efa mandeha ny fanadihadiana izay hatao amin’ireo voarohirohy hahafahana mamoaka ny antony.
