France : Hiresaka momba ny fanavaozana ny rafi-pahasalamana ny filoha androany
Hiresaka momba ny fanavaozana ny rafi-pahasalamana izay efa reraka tanteraka ny filoha Emmaunuel Macron androany raha ny tatitry ny governemanta. Hiazo ny CHSF (Centre hospitalier Sud Francilien) ao Essonne ny filoha ary hitondra ny faniriany amin’ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana, hopitaly ary liberaly hoy ny tao amin’ny Elysée.8
Raha tsiahivina dia niharan’ny « cyberattaque » io hopitaly tao an-toerana io ny volana aogositra 2022 teo. Hiaraka amin’ny filoha mandritra io dinika ho ataony io kosa ny minisitry ny fahasalamana, François Braun. Hifampidinika amina vondrona ao amin’ny sampana « pédiatrie » izy ireo manoloana ny fihenjanana eo amin’ny sehatra vonjy taitra ny « pédiatrie ».
Marihana fa efa tamin’ny taona 2020 ny governemanta no nampanantena ny fanavaozana ny rafi-pahasalamana taorian’ny fandrotsahana vola tamina miliara ho an’ny « Ségur de la santé ».
