ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Simba tanteraka ny lalana rari-vato ao Andranovao

Simba tanteraka ny lalana vita amin’ny rari-vato ao Amborimanina Andranovao, kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Raha ny voalaza dia lasan’ny rano avokoa noho ny oram-be sy ny riaka ao an-toerana no nahasimba ny foto-drafitr’asa, eo ihany koa ny fangalarana ireo vato amin’ny lalana, izay hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny tompon’andraikitra.

« Mamely ity lalana eto ity avokoa na ny orana na ny riaka mafy avy any ambony avy any rehefa avy ireny ny orana ka mampiongotra ireo vato amin’ny lalana. Hanaovana antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra mba hijery akaiky izao zava-misy izao » hoy i Felana, mponina ao Ambohimangakely.

« Anisan’ny fepetra takiana amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa ny fijerena ireo lafin-javatra maro mialohan’ny fananganana hialana amin’ny fahasimbana tahaka izao. Anisan’ny antony mahasimba ny lalana tahaka izao ihany koa ny tsy fanajana ny fenitra amin’ny fampiasana azy ka mahatonga ny fahasimabana vetivety » hoy i Tefy, teknisianina amin’ny fanamboaran-dalana.

Anisan’ny fotoana mahabetsaka ny lalana simba ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Ilaina araka izany ny fiaraha-mientan’ny tsirairay mba samy ho tompon’andraikitra ary samy ho mailo amin’ny fiarovana ny foto-drafitr’asa iombonana ka tsy hiandry tompon’andraikitra fa hanao izay anjara tandrify.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire