ActualitésTatitra

La Réunion : Marie France, vehivavy mampiantrano ireo alika mpirenireny

Efa an-taonany maro i Marie France sy ny vadiny no mitsabo ary manangana alika mpirenireny ao La Réunion. Tanya m-piandohana dia alika 20 no nampiantranoany sy nomeny sakafo. « Toy ny olona ihany ireo biby ireo, mahatsiaro noana, mangetaheta sy mamay. Izy tsy afaka miteny fotsint no mahasamy hafa azy » hoy izy.

Vitsy ireo olon-tsotra misafidy ny hanampy ireo alika mpirenireny raha ny fanazavana. Amin’ny ankapobeny dia hazonina mandritra ny 15 andro ao amin’ny « fourrière » izy ireo. Jerena ihany nefa raha mbola afaka atsangana ireo biby ireo hoy ny tompon’andraikitry ny « refuge » ao Grand Prado, Annick Letaconnoux. Miankina amin’ny fahampiana na tsia ny toerana ihany koa nefa ny fihazonana azy ireo raha ny fanamafisany.

Laisser un commentaire