Etats-Unis : Vehivavy iray nanosika zaza 3 taona teo amin’ny lalam-by tao Oregon
Zazavavy kely 3 taona no nijoro teo akaikin’ny reniny tao amin’ny gara tao Portland, Oregon no nisy nanosika tampoka teo amin’ny lalam-by. Vehivavy nipetraka teo amin’ny seza taoriany no nitsangana tampoka ary nanao izany fihetsika izany tsy an’antony, raha ny horonantsary naneho ny tranga.
Voavonjy talohan’ny nahatongavan’ny fiarandalam-by kosa io zazavavy io ka avotra soa aman-tsara. Nentina teny amin’ny hopitaly ihany izy noho ny ratra teo amin’ny loha. Nosamborina kosa ilahy vehivavy nanosika ilay zaza. Fantatra fa Brianna Lace Workman, 32 taona io vehivavy io, ary tsy mana-kialofana. Tsy nisy antony manokana kosa io fihetsika nataony io.
