Niger : Mbola tsy afaka mampiasa Internet foana
10 andro izao no nahatapahan’ny internet ao Niger. Tranga niseho taorian’ny fihetsiketsehana nisy ny ampitson’ny namoahana ny valim-pifidianana filoham-pirenena vonjy maika ny 24 febroary, ka nandresen’i Mohamed Bazoum. Olona 2 no maty nandritra io fihetsiketsehana io hoy ny Amnesty International, mbola any am-ponja kosa ny filohan’ny vondrona mpanohitra, Hama Amadou. Ny ankamaroan’ireo mponina ao Niger no mampiasa VPN sy satellite amin’izao fotoana entina miditra amin’ny tamban-tserasera ihany hoy hatrany i Amnesty. Tsy mbola namoaka fitarainana ofisialy manoloana izany kosa ireo sampam-pifandraisana ao an-toerana toy ny Telecom, Zamani Telecom, Moov Africa Niger sy Airtel Niger. Etsy ankilany, mandrahona ny hitory ny fanjakana nigeriana ireo fikambanana amin’ny fiarahamonim-pirenena isankarazany. Tsy mbola namoaka fanambarana ofisialy mahakasika ny antony fahatapahan’ny internet ao Niger sy ny tsy fisian’ny serasera ao an-toerana ny manampahefana ao Niger. Ny zoma 05 martsa, nanambara ny fisokafan’ny fanadihadiana lalina manoloana ny fisian’ny fihetsiketsehana taorian’ny fanambarana ny valim-pifidianana farany teo iny ny Amnesty International amin’izao fotoana.
