Italie : Nosakanana ny fandefasana ireo vaksiny ho an’i Australie.
Nosakanan’i Italie ireo vaksiny fanefitry ny valanaretina coronavirus AstraZeneca miisa 250 000 tokony ahondrana any Australie. Na eo aza ny fiakaran’ny isan’ireo olona mitondra ny tsimonkaretina coronavirus, noraisin’ny filohan’ny filankevitra Italianina Mario Draghi ihany ny fanakanana ny fanondranana ireo vaksiny any amin’ny firenena hita ho tena hiaran’izay fiakaran’isa izay. Tsy nanohitra io fanapahan-kevitra io ihany koa anfa ny vaomiera eropeana. Ny 25 febroary teo no efa nanambaran’ity lehiben’ny governemanta vaovao ity io fanapahan-kevitra io. Ny alakamisy 04 martsa no nanomboka nampihatra io ity filohan’ny banky eropeana teo aloha ity. Raha ho an’i Italie, manodidina ny 23 000 voamarina fa mitondra ny tsimonkaretina indray raha toa ka 339 ireo maty. Raha araka ny vaovao, misedra olana ihany ny eo anivon’ny famokarana ny vaksiny AstraZeneca amin’izao fotoana.
