Institut IISS : Sehatra iray hanomanan’ny tanora ny ho aviny mamiratra
Toeram-pampiofanana iray manabe tanora hiatrika ny ho aviny ny Institut IISS (Institut International des Sciences Sociales). Maro ireo sampana afaka arahina ao amin’izy ireo afaka hisafidianana tsara, ary efa misokatra ny fisoratana anarana hanao ny fanadianana hidirana ao amin’izany.
« Manofana tanora ho lasa matihanina amin’ny sehatra maro isan-karazany izahay hahaizan’ireo tanora ireo ny fahaiza-manao entina anaty orinasa. Maro ny sehatra azo hisafidianana izay hita anaty orinasa avokoa izany mba ahafahan’izy ireo mahita ny lalana alehany rehefa mahavita ny fianarana ao amin’ny Institut IISS. Efa misokatra ny fisoratana anarana hiatrika ny fanadinana ahafahana mifaninana hiditra ato amin’ny Institut izay tsy hifarana raha tsy ny 20 janoary 2023 izao », hoy i Razanajafy Livaniaina, tompon’andraikitra ao amin’ny IISS.
« Efa maro ireo tanora nivoaka avy tao amin’ny IISS efa samy manana ny toerana maha izy azy avokoa izy ireo. Ireo mpampianatra ihany koa efa matihanina sy efa za-draharaha ka efa mora ny fampitana ny fahaizana amin’ireo mpianatra », hoy hatrany ny fanazavana.
« Nisafidy ny IISS satria efa hita ahatramin’izay fa manana ny maha izy azy ireo mpianatra nivoaka tao ary efa ampy tsara ny fahaiza-manaon’izy ireo. Ankoatra izay dia mbola azoko lazaina fa mora ihany ny saram-pianarana. Mahafinaritra ny mpampianatra dia mazoto foana satria amikon aloha izay ihany no antoky ny fianarana mahomby », hoy ny solontenan’ireo mpianatra efa nivoaka tao amin’ny IISS.
Hitohy hatramin’ny 20 janoary ny fisoratana anarana ho amin’ny fanadinana fidirana izay hatao ao amin’ny Immeuble La Vallée Antsakaviro, Box n°2. Tsara ny manamarika fa atao an-jotra (en ligne) avokoa ny fanadinana fitsapana, dia ny 23 sy 24 janoary izany, amin’ny sarany 20 000 Ar. Ny fidiran’ireo mpianatra voaray kosa dia ny 2 febroary 2023 ka ny saram-pisoratana anarana izay hatao mialoha dia 200 000 Ar.
Miora Raharisolo
