ActualitésTatitra

La Réunion : Hihazo an’i Saint-Pierre indray ny Grande Roue

Tany am-piandohana dia napetraka tao Saint-Denis ny Grande Roue tao La Réunion. Tao anatin’ny fotoana maromaro dia nitety tanana samihafa tao an-toerana izany. Hihazo an’i Saint-Pierre indray io fialamboly io rehefa nandalo tao Saint-Paul sy Tampon.

Manomboka ny 6 janoary izao ny fanokafana io Grande Roue io ao Ravine Blanche Saint-Pierre ary hitoetra ao an-toerana hatramin’ny volana aprily izany alohan’ny hihazoana an’i Bras-Panon indray raha ny fanazavan’i Jérôme Abelard avy amin’ny Attraction Réunion.

Hitondrana ny «attraction » tao amin’ny renivohitra atsimo no tanjona napetraka tamin’ny fitondrana io Grande Roue io tao amin’ny nosy tamin’ny volana jolay 2021 hoy io tompon’andraikitra io ka tanteraka izany ankehitriny.

Laisser un commentaire