Fampianarana ambony : Nahazo fanampiana manokana ireo varira mianatra eny amin’ny anjerimanontolo
Nahazo fanampiana ireo mpianatra eny amin’ny anjery manontolo ka manana ilay aretina atao hoe « albinisme ». Ny fahitana no tena manahirana ny olona tratran’izany aretina izany. Noho izany dia nomena fahalalahana hampiasa ny « scholarvox » maimaimpoana ireo mpianatra ireo. Tsy inona ny ScholarVox fa « plateforme » iray ahitana boky maro isan-karazany izay afaka hampiasain’ny mpianatra manana olana ara-pahitana.
« Miara-miasa amin’ny Agence Universitaire de la Francophonie ny Fikambanan’ny Olona Albinos eto Madagasikara amin’ny fampidirana ity programa ity. Hotolorana « tablettes » sy « connexion internet » araka izany ireto mpianatra ireto hahafahan’izy ireo misitraka antsakany sy andavany izany programa entina hanampiana azy ireo izany », hoy ny avy ao amin’ny Fikambanana.
« Efa betsaka izahay no manohy fianarana ety amin’ny anjery manontolo miaraka amin’ny olana kely sedrainay dia ny olana ara-pahitana izany. Ahafahanay mampiakatra ny kalitaon’ny asanay kosa angamba ny fahazoana ity fanampiana ity ka raisinay am-pifaliana tokoa izany. Tsapanay izao fa tsy avela irery izahay fa tohanana hahazo fampianarana mifanaraka amin’ny filànay », hoy ny solontenan’ireo mpianatra.
Ankoatra ireo mpianatra eny amin’ny anjery manontolo ireo dia efa maro ihany koa ny hetsika izay natao mba tsy hahatsapan’ireo olona voan’ny albinisme fa avela irery izy ireo na hoe iatahan’ny fiaraha-monina. Ohatra amin’izany ny fanolorana kilalao ho an’ny ankizy varira latsaky ny 12 taona izay nahatratra 300 isa izy ireo no nisitraka izany tombontsoa izany. Notolorana « crème solaire » ihany koa izy ireo hiarovana ny vatany amin’ny homamiadan’ny hoditra izay aretina mamono tsikelikely ireo olona varira ireo.
Miora Raharisolo
