ActualitésTatitra

Comores : Voahaja ny vidin’entana eny an-tsena, amin’ny ankapobeny

Tsy nisy ny tsena nampidina na nampiakatra ny vidin’entany nandritra ny andro voalohany nanaraha-maso ny vidin’entana teny ifotony tao Moroni. Nizara vondrona efatra ireo mpiasan’ny sampan-draharaham-paritry ny varotra anatiny tao an-toerana nandritra ny fisafoana ary nitety tanana maro.

Raha tsiahivina dia nanisy fiovana ny vidin’entana ministeran’ny toekarena sy ny varotra tao an-toerana, anton’izao fanaraha-maso izao. Mbola milamina tsara hatreto ny fanovana hoy ny talen’ny toekarena sy ny varotra, Abdou Nassur Madi. Miezaka mampihatra tsikelikely ny fanovana izy ireo hoy izy mba hankatoavin’ireo mpivarotra izany.

Misy ihany ireo manao hatsirambina hoy i Elamine Ahmed Abdou, mpanao fanaraha-maso tao amin’ny tananan’i Magudju saingy amin’ny ankapobeny dia voahaja ny vidin’entana napetrakin’ny tompon’andraikitra hoy izy.

Laisser un commentaire