ActualitésTatitra

La Réunion : Hanomboka ny 10 janoary izao ny fikojakojana ny «téléphérique» ao amin’ny Nosy

Hiato manomboka ny 10 janoary hatramin’ny 17 janoary izao ny «téléphérique» Papang ao La Réunion. Antony ny fitsirihana fikojakojana izay atao amin’io fitaovam-pitanterana io. Marihana fa tontosaina isan-taona io fitsirihana io ary kojakojaina sy tanterahina mandritra izany avokoa ny ara-elektrika, ny fanaraha-maso ny fitaovana, ny « capteur » ary ny « mise à jour » ny « logiciel ».

Marihana ihany koa fa tsy ny Papang ihany no hanaovana io fitsirihana io fa ireo «téléphérique» rehetra miasa ao amin’ny nosy. Miasa 7/7 andro mandritra 350 andro io fitaovam-pitanterana io ao La Réunion ary mahavita dia 6000 isa isan’andro. Entina hitandrovana ny mpandeha noho izany no tena anton’io fitsirihana io

Laisser un commentaire