Akamasoa : Notoloran’ny Filoham-pirenena kara-tany sy kadasitra maro
Toy ny fanaony isan-taona dia teny amin’ny akany Akamasoa no nankalazain’i Filoham-pirenena sy ny ankohonany ny fetin’ny Noely. Nanaraka ny fotoam-pivavahana sy ny lanonana rehetra teny izy ireo. Fotoanan’ny fanolorana fanomezana hanolmezana fifaliana ny olona rehetra ny fetin’ny Noely ka nitondra izay votsirambiny ihany koa ny Filoha sy ny fianakaviany ka nanolotra kara-tany sy kadasitra miisa 30 ho an’ny Akany izay noraisin’ny Père Pedro an-tanana izany.
« Tanjon’ny akany ny hanampy ny mpiara-belona. Tsy mitady vola na mitady tombony izy ireo fa tena manao asa soa vokatry ny fo. Rariny loatra raha tohana sy hampiana satria Malagasy ireo ary iray Tanindrazana amintsika. Manana zo izy ireo hananatrano honenana ka izany no antony nanolorana izao », hoy ny Filoham-pirenena tamin’ny laha-teny izay nataony.
« Sarotra aminay ety vao mahazo ny tany izay ho ampiasaina satria mila mivezivezy kanefa ny asa ato amin’ny akany manaraka foana. Etsy andaniny anefa ny vola ihany koa tsy ampy ampy ihany ka mahafaly anay ny mahita fa azo izao kara-tany sy kadasitra izao hahafahana mampitombo ny activité sy hahafahana mampitombo ihany koa ny isan’ny mpianatra izay tena mbola maro ny maniry hiditra ato », hoy kosa i Liva, tompon’andraikitra ao amin’ny Akany Akamasoa.
Ankoatra ny fanolorana izany kara-tany sy kadasitra miisa 30 izany dia nanolotra kilalao sy fanomezana ho an’ny ankizy kely ihany koa ny Filoham-pirenena sy ny fianakaviany tamin’ny alalan’ireo kilalao izay avy amin’ny SamarItan’s Purse any Amerika. Miisa 7000 ireo ankizy manodidina ny 2 ka hatramin’ny 14 taona no nisitraka izany tao amin’ny Akamasoa.
Miora Raharisolo
