Ambohimanambola : Hisy ny lalao ampahefa-dalana amin’ny baolina kitra « Coupe omby »
Hiroso amin’ny lalao ampahefa-dalana amin’ny lalao baolina kitra “coupe omby”, izay atao ao amin’ny kianja Andohalo, Ambohibato, kaominina Ambohimanambola ao amin’ny alahady ho avy izao. Ekipa avy any amin’ny kaominina hafa manodidina no handray anjara ao anatin ‘izany dingan’ny ampahefa-dalana izany, araka ny voalaza.
« Ezahina hatrany ny hampahafantatra ny mpankafy baolina kitra rehetra eto an-toerana sy ny manodidina ireo ekipa valo izay hiatrika ampahefa-dalana. Misy ny Delta sport FC avy eny Ankady, FC Papouta Ambohimiandra, La famille FC By pass, JIM’BIS Mahitsy, PRÔ SUD 3SM, Zazamainty FC Mahitsy, Taram FC Taramanana, Jobo FC Ambohitsifotra » hoy ireo mpikarakara ny lalao.
« Ny resaka baolina kitra moa dia malaza foana ary anisan’ny mampiavaka ny kaominina izy io ka dia hanentanana ny mpiondana ity taranja ity ho avy hanohana ny lalao. Ho an’ny coupe omby manaraka ihany koa dia misokatra ny fisoratana anaran ho amin’izany » hoy hatrany ireo mpikarakara.
Ankoatra ireo lalao ireo moa dia misy ihany koa ny tournoi Mafbe ao an-toerana, izay hiseho rahampitso Sabotsy sy ny Sabotsy 31 Desambra ho avy io.
Manitra Ramanantsoa
