ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Niteraka savorovoro ny fametahana ny « plaque de delimitation » tao an-toerana

Niteraka savorovoro sy korontana teo amin’ireo mponina sy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny kaominina Anosy Avatra ny fametraha ny takelaka manasaraka ny kaominina roa tonta (plaque de délimitation), tamin’ny alarobia lasa teo. Araka ny voalaza, voatery natsahatra ny fametrahana izany, vokatry ny savorovoro na dia efa nahazoana alalana ara-dalàna aza ny fametahana izany.

« Tsy fantatra mazava aloha izany hoe inona no tena fototr’olana ka mahatonga ireo avy ao amin’ny kaominina rahavavy mikorontana rehefa misy zavatra ataon’ny kaominina Anosy Avaratra tahaka izao. Fametahana takelaka no atao ka savorovoro sy korontana ary herisetra amin’ny fanalana izany no zava-misy » hoy i Laza, mponina ao Anosy Avaratra.

« Raha ny avy eto amin’ny kaominina Anosy Avaratra aloha, ny Ben’ny tanàna miaraka amin’ny mpanolontsaina dia manaiky ary manaja hatrany ny lamina izay apetraky ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany misahana izao raharaha izao » hoy ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

Samy sarotiny amin’ny taniny avokoa na ireo mponina na ireo tomponandraikitra isan’isany samy maneo ny fiarovana izany. Na dia izany aza, natsahatra ny fametrahana ity takelaka ity ho fiarovana ny fahasimbana sy hisorahana ny korontana teo amin’ny rehetra. Miandry ny fandaminana avy amin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongana araka izany ny tohin’ity raharaha ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire