Famokarana : Tsy ampy ny rano hahafahana mamokatra vary any amin’ny tobim-bary
Mihena ny rotsak’orana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Miteraka fihenan’ny vokatra izay handrasana ho amin’ity taona izany amin’ny famokarana vary. Manaitra ny tompon’andraikitra ireo mpampianatra mpikaroka ny mba hitadiavan vahaolana raha te hampahomby ny famokarana.
« Tokony hampitomboana rotsak’orana amin’ny alalan’ny orana artifisialy satria maina ny tany ka na ireo ketsa izay efa nambolena aza dia mety ho faty ho azy fotsiny. Foto-tsakafo ny vary, raha te hahomby dia ny resaka rano aloha no hitadiavana vahaolana voalohany indrindra », hoy ireo solontenan’ny SECES sampana Antananarivo.
Tsy ny SECES irery ihany no mahita izany fa indrindra moa ireo tantsaha any an-toerana. « Simba ny lakan-drano, tsy misy mpijery. Tsy ampy ny orana izay nantenaina hanarina, vao mainka maty daholo ny fanantenana rehetra. Tsy mbola mety hita hatramin’izao ny vahaolana mahomby fa miandry izahay satria ny herinay tsy hahavita hanamboatra ireny foto-drafitr’asa ireny », hoy ireo mpamboly avy ao Ambatondrazaka.
Zara raha azo novolena ny 10%-n’ny tanimbary noho ny tsy fahampian’ny orana any Antsihanaka. Raha mbola mihena ny taham-bary, mahatratra 800Ar ny vidin’ny kapoaka fotsy amin’izao fotoana izao ka hanao ahoana ny amin’ny taona 2023 toy izao. Ho an’ny SECES, io no vahaolana mahomby indrindra hisorohana ny mety hisian’ny mosary lehibe amin’ny taona 2023.
Miora Raharisolo
