ActualitésTsidika

Alasora : Hitan’ny zandarimaria tany Andilamena ilay tovovavy tsy hita tao an-toerana

Tovovavy 17 taona no tsy hita tao an-tranony, tao Alasora ny 15 Desambara lasa teo ka nanaovana filazana fikarohana avy hatrany. Araka ny voalaza, nirahan’ny ray amandreniny hividy fanafody no nialany tao an-tranony kanefa tsy nody ka nampandre ny zandarimariam-pirenena ireo fianakaviany.

« Rehefa nametraka ny paikady rehetra nikarohana ity tovovavy ity ny zandarimariam-pirenena sy nandray an-tananana avy hatrany ity raharaha ity ny tobim-paritry ny Zandarimaria Alasora dia natao ny fikarohana ka anisan’izany ny fanaparitahana ny filazana fikarohana olona very tao anaty tambazotran-tserasera facebook » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Noho ny mahamatihanina sy ny fahaiza-manaon’ny zandary fa indrindra moa noho ny fitokisan’ny vahoaka ny zandarimariam-pirenena dia mora ho azy ny nahazoany loharanom-baovao ka nahamora ny fikarohana. Hita teny an-tanimbary teny amin’ny lalana mandeha any Andilamena (anelanelan’Amparafaravola sy Andilamena) izy ny faha 16 desambra hariva » hoy hatrany ny avy amin’ny zandarimaria. 

Ny avy amin’ny zandarimaria moa dia manentana ny mponina hatrany amin’ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa hisian’ny filaminana eo amin’ny vahoaka, indrindra fa ny mahakasika ny fandriam-pahalemana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire