ActualitésTatitra

France : Olona 10 maty nandritra ny hay trano tao Vaulx-en-Velin

Nisehoana loza goavana tao Vaulx-en-Velin ny faran’ny herinandro teo. Trano lehibe iray nisy rihana fito no may tao an-toerana ka nahafaty olona folo izay zaza ny dimy. Mbola antontan’isa vonjimaika ihany nefa io nomen’ny tompon’andraikitra io.

Raha ny fantatra dia efa nanomboka ny alina no nirehatra ny afo izay tsy fantatra famazava ny nipoirany. Mpamponjy voina mandidina ny 170 isa sy fitaovana famonoana afo 65 isa kosa no nampiasaina namonoana ny afo nandritra izany.

Laisser un commentaire