ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mpangalatra iray tratra tao Ambohitrarahaba

Lehilahy iray no tratran’ny mponina rehefa avy nanao ny asa ratsiny tao amina “cyber” iray tao amin’ny fokontany Ambohirarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly Talata maraina. Araka ny voalaza, nangalatra tao an-toerana ity lehilahy ity ka rehefa tsikaritr’ireo tomponandraikitry ny toerana dia tratra teny aminy ny finday izay nalainy tao an-toerana.

“Mila mailo hatrany amin’izao fotoana izao fa tena efa tsy mifidy intsony ny mpanao asa ratsy ary ahitana izany avokoa ny toerana rehetra” hoy I Sahoby, mponina ao Ambohitrarahaba.

“Mampalahelo ny toe-javatra tahaka izao. Mirona mankany amin’ny asa ratsy ny tanora malagasy. Mila fandraisana andraikitra sy fandraisana fepetra entitra izao satria ireo no ho avin’ny firenena” hoy I Henri, mpanabe.

Antony maro no mahatonga ny firongatry ny asa ratsy tahaka izao eto amintsika, izay tokony hitadivam-bahaolana sy hampandraisana andraikitra ny tsirairay. Anisan’ny voakasik’izao manokana ny tanora, ka tokony jerena akaiky indrindra ny mahakasika ny hoavin’ity firenena ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire