ActualitésTatitra

Angleterre : Ankizy 6 latsaka tao anaty farihin-dranomandry

Ankizy enina no nilalao teo ambony farihin-dranomandry ny alahady teo tao Solihull, tanàna iray ao atsimo atsinanan’i Birmingham. Nitresaka nefa ilay ranomandry ka naletikin’ny rano izy enina mianadahy ireo. Niantso ny mpamonjy voina avy hatrany ireo manam-pahefana ka avotra soa aman-tsara ny efatra tamin’ireo ankizy ireo raha mbola tsy hita kosa ny roa.

Manoloana ny hatsiakan’ny rano sy ny faharetan’ny tsy fahitana ireo zaza ireo kosa nefa dia tsy aina intsony no hovonjena hoy ny mamonjy voina, Cameron McVittie. Mbola manohy ny fikarohana ny razana nefa izy ireo.

Laisser un commentaire