Anjeva : Tafatsangana ny fikambanan’ny tanora hiaro ny tontolo iainana
Tafatsangana soa aman-tsara ao amin’ny kaominina Anjeva gara ny « Association des jeunes », izay hiaro ny tontolo iainana, ny fiandohan’ny herinadro teo. Hitondra fiovana eo amin’ny kaominina sy handray anjara amin’ireo sehatra isan-karazany ny antom-pisian’ny fikambanana raha ny voalaza.
« Hampisongadina ireo tanora mba hanana ny mahaizy azy sy handray andraikitra ary hitondra fiovana amin’ny sehatra maro eto amintsika toy ny eo amin’ny fanatanjahantena sy ny sehatra fialamboly ary ny fanabeazana izay hamolavola ireo tanora mba ho reharehatsika no tanjon’ny fikambanana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana.
« Ilaina dia ilaina ary zava-dehibe ny fananana ireo tanora sahy mandray andraikitra ho fanatsarana ireo sehatra izay tandrify azy ao anatin’ny kaominina iray. Anisan’ny hery mitondra mankany amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana izany » hoy i Rafidy, mpandinika fiaraha-monina.
Hery manosika ny fampandrosoana ny fandraisan’ny tanora anjara amin’ireo sehatra izay misy ao anatin’ny faritra iray. Ilaina mandrakariva araka izany, ny fanohanana azy ireo sy ny fanosehana azy satria anisan’ny manana anjara amin’ny fampandrosoana ny tanora.
Manitra Ramanantsoa
