ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Nisy ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny tao an-toerana

Nanao hetsika famonoana ireo alika mirenireny ao an-toerana ny tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana, ny herinandro lasa teo. Noho ny fahamaroan’ireo alika mirenireny eny an-dalana izay ahiana hitera-doza ho an’ny rehetra no nanaovana ny hetsika.

“Manao ezaka hatrany ny eto anivon’ny kaominina ho fiarovana ny rehetra, fa indrindra eo amin’ny lafin’ny fahasalamana. Efa maro loatra ireo alika mirenireny tsy misy mpikarakara tazana ka izay indrindra no nahatonga izao hetsika izao” hoy ireo avy amin’ny kaominina.

“Vanim-potoana mahatonga ny aretina haromontana eo amin’ny biby amin’izao fotoana mafana izao. Mila sorohana araka izany ny kaikitry ny alika, indrindra mba ho fiarovana ny rehetra satria tena maro ny alika mirenireny eto an-toerana” hoy hatrany ireo tomponandraikitra.

Na dia tontosa aza anefa izao hetsika izao, maro ireo mpiompy alika tsy nankasitraka izany. Araka ny voalazan’izy ireo, misy ny vahaolana hafa afaka natao sy notontosaina ankoatra ny famonoana ireo biby satria zava-manan’aina, toa ny fanaovana vaksiny faobe sy ny maro hafa.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire