ActualitésTatitra

Belgique : Vehivavy lehibe iray nahazo alalana hamono tena taorian’ny fanolanana azy

Lehilahy iray antsoina hoe Kris M. manodidina ny 30 taona no niditra tao amin’ny toerana fitaizana be antitra iray. Avy nisotro sy nandray zava-mahadomelina tao amin’ny toerana iray tao Lint ao Belgique izy raha ny fantatra. Niditra tao an’efitra vehivavy iray 89 taona io lehilahy io, notohanany ny varavarana ary naholany ilay vehivavy lehibe.

Mpitsabo iray no namonjy io vehivavy io. Mbola tratrany tao an’efitra ilay lehilahy mpanolana saingy  tafaporitsaka teo amin’ny varavarankely. Vetivety ihany nefa dia tratran’ireo manam-pahefana ilay lehilahy, nihinana « glace » toy ny tsy nisy na inona na inona izy tamin’ny fotoana nisamborana azy.

Nohelohina higadra 8 taona io lehilahy nahavanon-doza io. Nangataka ny ho faty kosa ilay vehivavy lehibe ary nahazo alalana amin’izany. Vehivavy niatrika sedra sy fijaliana maro mantsy izy raha ny fanazavana ka vao maika nanimba ny sainy ny herisetra nianjady taminy. Hotontosaina ny 12 desambra izao ny fanaperana ny ainy.

Laisser un commentaire