ActualitésTatitra

Belgique : Lehilahy iray nanomo ny ankohonany teo ambanin’ny fifehezan’ny zava-mahadomelina

Lehilahy aavy ao Saint-Gilles-lez-Termonde, Belgique, mpidoroka zava-mahadomelina i Ismael Y. 33 taona. Nifamaly matetika tamin’ny vadiny noho io antony io izy. Ny faran’ny herinandro teo nefa dia loza no niafaran’ny ady.

Nandray « cocaïne » sy « cannabis » i Ismael Y. talohan’ny nodiany tao an-tokatranony. Niteny azy ny vadiny manoloana izany saingy tezitra mafy ilay raim-pianakaviana ka nokendainy nandrapahafatiny ilay vadiny izay marihana fa nitondra vohoka. Taorian’izany dia nokendainy ihany koa ny zanak’izy ireo 5 taona.

Ny ampitson’ny tranga vao tonga saina i Ismael Y. Nanolo-tena teny amin’ny polisy izy ary nilaza fa namono ny vady aman-janany. Notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany ny tenany.

Laisser un commentaire