Mayotte : Miara miasa ny « pôle emploi » sy ny kaominin’i Mamoudzou
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny kaominin’i Mamoudzou sy ny Pôle emploi CCAS centre communal d’action sociale) ny herinandro lasa teo. Tanjona napetrak’izy ireo ny fanomezana tolotra ho an’ny olom-pirenena ao an-toerana eo amin’ny sehatry ny asa, indrindra ho an’ireo tsy manana fitaovana nomerika izay miasa betsaka amin’ny fitadiavana asa amin’izao fotoana.
Ny 41% ny mponin’i Mayotte ihany no afaka misitraka ny fampiasana ny tranokalam-pifandraisana raha fanazavan’ny ministeran’ny kolotsaina ao an-toerana. Manoloana izany dia hiezaka hampiroborobo ny fampidirana eo amin’ny sehatrin’ny asa ny mponina tsy afaka mikirakira ny fikarohana nomerika ireo mpiara miasa vaovao ireo.
