Vilihazo : Nisy ny fampiarana ny fiofananana momba ny fambolem-bary tao amin’ny kaominina
Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo ny dingana faharoa amin’ny fampiofanana izay iarahan’ireo tomponandraikitra matihanina amin’ny resaka fambolem-bary tamin’ny solo-tenan’ireo tantsaha, tao amin’ny kaominina Vilihazo. Ity dingana faharoa ity izay nanaovana ny fampiarana ireo teknika mahakasika ny fambolem-bary, raha ny voalaza.
«Hankasitrahana ny fampiarana tety ifotony ny voly vary Papriz niarahana tamin’ireo teknisianina Japoney (JICA), sy ny avy amin’ny tomponandraikitra misahana ny fambolena, ary ny PF avy ety an-toerana » hoy ny avy amin’ny kaominina
«Hisaorana ireo tomponandraikitra amin’ny fanomezana fiofanana tahaka izao satria anisan’ny antoky ny fampandrosoana ny fanatsarana vokam-pambolena ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izao» hoy i Rémi, mpamboly.
Zava-dehibe tokoa ny fanomezana fampiofanana ho an’ny mpamboly eny ifotony raha mitady fampandrosoana. Ny fambolem-bary izay foto-piveloman’ny ankamaroan’ny malagasy ka rariny raha ampiharina ireo teknika moderina hahafahana manatsara ity sehatra ity.
Manitra Ramanantsoa
