France : Fatin-jazakely roa no hita nivaingana tao anaty vata fampangatsiahana
Fatin-jazakely roa nivaingana no hitan’ny manam-pahefana tao anaty vata fampangatsiahana nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo tao Vaucluse. Marihana fa nisy niantso izy ireo talohan’ny nahitany io tranga io. Tao an-tranona vehivavy iray 41 taona tao amin’ny kaominin’i Bédoin kosa no nahitana ireo fatin-jaza ireo hoy ny mpampanoa lalàn’i Carpentras, Hélène Mourges.
Efa nosamborina ilay vehivavy nonina tao amin’ilay trano nahitana ny zaza. Efa manadiady ihany koa ireo manam-pahefana. Tsy mbola nanome fanazavana ny momban’ny fifandraisan’ireo zaza na ny fifandraisan’izy ireo amin’ilay vehivavy kosa ireto farany.
