Afghanistan : Olona 16 maty tao anaty fipoahana sekoly « coranique » iray
Nanambara ireo manam-pahefan’i Afghanistan fa nisehoana fipoahana tao amin’ny sekoly « coranique » iray tao amin’ny tanànan’i Aybak ny alarobia teo. Olona 16 no maty nandritra izany ary 24 kosa no naratra. Ankizy sy olon-tsotra kosa ny ankahamaroan’ireo niaram-boina ireo hoy ny mpitsabo tao amin’ny hopitalin’i Aybak.
Nohamafisin’ny tompon’andraikitrin’ny faritra io fipoahana io saingy tsy namoaka andinindininy ankoatran’ireo efa fantatra izy. Raha tsiahivina kosa dia hatramin’ny niverenan’ny Taliban teo amin’ny fahefana ny volana aogositra 2021 teo no nanomboka nifanesisesy ny fipoahana sy ny fanafihana namely ny sivily tao Afghanistan. Baiko avy amin’ny vondrona islamika (EI-K) avokoa ny ankahamaroan’izy ireo.
