Fanadiovana : Hatao etsy Mahamasina ny « salon National de l’Eau et de l’Assainissement et de l’Hygiène »
Dépêche 01 décembre, 12h30, Manomboka androany ao amin’ny kianjan’ny Mahamasina ny tsenaben’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana ary tsy hifarana izany raha tsy ny asabotsy 03 desambra izao. « Rano, fanadiovana sy fidiovana, sehatra azo hampiasam-bola », izany no lohahevitra horesahina sy ho hita mandritra ny hetsika. Varotra sy fampirantiana, ady hevitra ary fifanakalozan-kevitra amin’ireo manam-pahaizana, izany kosa no ho hita mandritra ny hetsika izay haharitra telo andro. . Marihina fa eo ambany fiahian’i Fidiniavo Ravokatra, Minisitry ny rano, ny Fanadiovana sy ny fidiovana izany hetsika izany ary maimaim-poana ny fidirana.
