France : Tovolahy iray no namono tena tao anaty fotoam-pianarana
Tovolahy 18 taona iray no namono tena tao anaty fotoam-pianarana tao amin’ny lisean’ny Parc-des-Loges, ao Évry-Courcouronnes, Essonne ny talata teo. Nitsambikina avy teo amin’ny varavarakelin’ny rihana voalohan’ny toeram-pianarana izy nandritra ny fianarana teny anglisy.
4,50 metatra no nianjeran’io tovolahy io, nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany izy nohon’ny « traumatisme au rachis ». Tsy nisy voa kosa ny faritra mety nampididoza tamin’ny vatan’io tovolahy io saingy marary eo amin’ny valahany kosa izy.
Fantatra fa mrefo ara-tsaina io tovolahy io. Talohan’ny nitsambikinany teo amin’ny varavarakely hoy ireo mpiara-mianatra taminy dia nilaza izy fa « mety hanenina saingy tsy maintsy hitsambikina ». Hisy kosa ny fanohanana ara-tsaina ho an’ireo izay mila izany hoy ny talen’ny sekoly arakin’ny baikon’ny ben’ny tanàn’i Évry-Courcouronnes, Stéphane Beaudet.
