CENI: Manantena lela-vola ampy hanatanterahana ny fifidianana.
Mitentina 45 milliara ariary ny teti-bola nolaniana hanatanterahana ny fifidianana ny 2023 izao. Efa lany teo anatrehan’ny solombavam-bahoaka izany kanefa hatramin’izao aloha ny avy ao amin’ny CENI mbola tsy nanambara raha ho ampy izany lelavola izany. Raha ny mahakasika ny fanisana mpifidy kosa izay hifarana ny 31 desambra izao. Nanambara izy ireo fa tao anatin’ny roa volana izay nanombohana ny fanisana dia 37.31% amin’ny tanjona no efa tratra. Vinavinaina ho 13 tapitrisa no hampidirina anaty lisitra ka ny 5 tapitrisa amin’izao fotoana no efa tafiditra anaty lisitra. Ho tratra tsara anefa izany tanjona izany na dia iray volana aza sisa ny fe-potoana hananana.
