ActualitésTsidika

Transparency International : Nihemotra ny fampanoavana izay tokony natao an’i Ketakandriana Rafitoson

Raha tsiahivina dia ny alakamisy teo no tokony niakatra fampanoavana ny raharaha mahakasika an’i sekretera mpanatanteraka ny Transparency International-Initiative Madagascar sy ny GEL. Nampangain’ireto mpandraharaha mpanondrana litchis ireto i Ketakandriana Rafitoson fa miteny tsy misy porofo amin’ny resaka kolikoly eo amin’ny tsenan’ny litchis efa ho 10 taona izao. Taorian’ny fanadihadiana izay natao dia fantatra fa nihemotra indray ny fampanoavana izay saika ho tanterahina satria nivoaka mpandresy ireto avy amin’ny TI-MG ireto.

« Manana ny anjara toerany ambony ireo mpisintona lakolosy raha te hampandroso an’ny Madagasikara. Ny resaka kolikoly efa betsaka loatra ka raha misy olona mahasahy miteny dia tokony arovana sy ampiana izy hanavotana ireo matahotra miteny. Asan’ny fiarahamonim-pirenena izany ka mahatsiaro manana andraikitra izahay hiaro an’i Ketakandriana amin’izao zava-misy izao », hoy ny avy ao amin’ny Msis Tatao, fiarahamonim-pirenena iray.

« Anisan’ny tombony ho an’ny firenena ny manana olona mahasahy mitory toa an’ny ao amin’ny TI-MG.  Ireo mpiaro ny zon’olombelona ihany koa tokony miteny foana isaky ny misy fanafintohinana eny anivon’ny fiaraha-monina mba hahafahan’ny fanajakana mitady vahaolana amin’izany. Maro dia maro izy ireny ka tokony hofongorina », hoy i Henintsoa, mpianatra momba ny lalàna ao amin’ny Université Catholique.

Hoy ny ohabolana Malagasy hoe, « ny marina toy ny volamena latsaka am-bovoka, tsy havelan’ny tsy hasoany tsy hamiratra ». Manoloana izany ihany koa dia tokony halalahana ny mahakasika ny fahalalahana miteny ampahibemaso.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire