ActualitésTatitra

Maurice : Hiditra anaty hamehana ara-pahasalamana ny nosy manomboka ny 30 novambra izao

Miakatra ny tahan’ny Covid-19 ao amin’ny nosy Maurice. Tafiakatra 118 isa ny tranga ny 16 novambra teo. 41 kosa no nampidirina ao amin’ny New ENT Hospital nohon’ny trangan’aretina ary iray no trangam-pahafatesana voarakitra.

Manoloana izany dia nandray fepetra hampiatra ny hamehana ara-pahasalamana ireo tompon’andraikitra tao an-toerana. Hiditra anaty « Quarantine Period » ny nosy manomboka ny 30 novambra hatramin’ny 28 febroary 2023. Misy fiovana hafa ihany koa niaraka tamin’io fanambarana io, tsy « automatique » intsony ny fitiliana atao eny amin’ny « flu clinics » ary tsy maintsy manao fitiliana covid-19 avokoa ireo marary arakin’ny tolo-kevitry ny dokotera hoy ny minisitry ny fahasalaman’i Maurice, Kailesh Jagatpal.

Laisser un commentaire