ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tonga ao amin’ny CEG Soamanandrariny ny « TIC Bus »

Tamin’ny Alatsinainy teo no tonga tao amin’ny CEC Soamanandrariny, kaominina Ambohimangakely, ny TIC Bus, izay miaraka amin’ny ekipan’ny Ministeran’ny paositra sy ny fampivoarana ny hai-tao ara-kajy mirindra (MNDTP). Ny hampianatra ny mahakasika ny « Initiation à la technologie de l’information et de la communication » no atao mandritra ny fandalovan’ity TIC Bus ity mandritra izany.

« Hampianatra ireo mpianatra ao an-toerana ny mahakasika ny tontolon’ny haitaon’ny ita sy ny serasera ary ny teknolojia, entina hampivoarana ireo ankizy sy tanora hanovo fahalalana no tanjona ao anatin’izao hetsika izao » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny ministera.

« Ao anatin’ny vanim-potoana fandrosoan’ny teknolojia no misy antsika amin’izao fotoana izao. Rariny araka izany raha omena sehatra, entina hampitomboana fahalalana indrindra mahakasika ny ita sy ny serasera ireo mpianatra ireo, ahafahany mahafantatra sahady sy mandalina mahakasika ny tontolon’ny ita sy ny teknolojia » hoy ireo

Mifototra indrindra amin’ny fahalalana sy ny fifehezana ny teknolojia ny fampivoarana sy ny fampandrosoana. Hirariana moa ny hitohizan’izao hetsika izao any amin’ireo kaominina hafa mba hahafahan’ny rehetra misitraka izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire