Akamasoa : Efa ho vita ny trano ho an’ny ambaratonga faharoa ao amin’ny cite Andralanitra
Andalam-pamitana ny trano lehibe ho an’ny ankizy mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa ny mpanao trano ao amin’ny Akamasoa. Mandroso ny asa ary efa betsaka no vita saingy mbola misy ihany koa ireo mbola tsy vita. Noho ny fahabetsahan’ny tanora maniry ny hanohy fianarana dia voatery tsy maintsy nampiana ny efitrano na dia efa nisy aza izany.
« Mitombo isan-taona mihitsy ireo mpianatra no maniry hanohy fianarana. Tsy lavinay izy ireo satria fantatray ny fahasahiranana misy eo amin’ny olona rehetra. Ireo mpianatra ireo izay ny 70% dia olona avy any ivelan’ny Andralanitra avokoa ka tery ny trano ary izao fanorenana trano hafa izao no vahaolana hitanay », hoy i Liva, tompon’andraikitra ao an-toerana.
« Teritery ny efitrano hianaranay amin’izao. Mitombo foana anefa izahay isan-taona satria i Mompera tia manampy be dia izay olona miangavy ao aminy dia raisiny daholo. Izay no tena hitako hoe tombony amin’io trano vaovao vao haorina io », hoy ny mpianatra iray ao amin’ny CEG Akamasoa ity.
Tsy mialon-jafy ny toerana ary fanabeazana manaraka ny rafitra ara-panjakana no atolotra ao. Noho ny fahasahiranana anefa dia tsara hatrany ny fanampiana izay itony toerana itony mba hanasoavana ireo sahirana. Ny manao soa ihany koa tsy hanenenana mihitsy.
Miora Raharisolo
