Alasora: Nahazo “Mention Spécial du jury” ireo tanoran’Alasora nandritra ny “Festival du film en poche”
Tamin’ny alahady 20 Novambra teo no nanatanterahana ny hetsika « Festival du film en poche » izany natao tany Carry-le –Rouet any Frantsa. Nandritra ity andiany faha dimy ity, nahazo ny « Mention special du jury » ireo tanora nisolo tena ny kaominina Alasora, izay nandray anjara tamin’izany fifaninana izany.
« Mirehereha hatrany ny kaominina manana azy efatra mianadahy izay nitondra avo ny tanànantsika eto Alasora. Mendrika fankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo tamin’izany. Amin’ny volana desambra ho avy io no hanolorana ny mari-pankasitrahana ho azy ireo » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora.
« Anisan’ny mahafaly ny mpiray tanindrazana ny ezaka ataon’ny ben’ny tanàna amin’ny fanohanana sy ny fitarihina ireo ankizy amin’ny sehetra ambony tahaka izao. Anisan’ny mamporisika ireo tanora hafa avy eto amin’ny kaominina hanao ezaka hatrany izany ary tena mampivaka sy mitondra avo ny ananaran’Alasora tokoa » hoy i Tiana, mponina ao Alasora.
Raha tsiahiavina, tanora malagasy miisa 4 mianadahy no nitondra ny avo ny vohitr’Alasora nandritra izany « festival du film en poche » andiany fahadimy ity, ary anisan’ny nandray anjara tamin’ny fitsarana ny fifaninana ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
Manitra Ramanantsoa
