SocialTatitra

Brésil : Amazonie 1 satelita 100% bresiliana voalohany nalefa hijerena ny tahan’ny fahasimban’ny ala

Nalefa ny alahady 28 febroary lasa teo ny satelita voalohany, vikarin’i Brésil 100%. Nampitondraina ny anarana hoe Amazonie 1 izy io ary hanome vaovao mahakasika ny fandringanana ala, hoy ny andrim-pirenena ho an’ny fikarohana eny amin’ny habakabaka na ny INPE. Nanambara ihany koa izy ireo fa nahomby ny fandefasa an’I amazonie 1 tamin’ny 01h54, tao amin’ny ivon-toeram-pandefasana Satish Dhawan ao Srihatikota Inde, ny alahady teo. Satelita fahatelo hamonjy ny rafitra DETER I Amazonie 1. Anisan’ny tena iandraiketany hoy ny INPE ny fanaraha-maso ny fanimbana ny alan’I Amazonie amin’ny fotoana rehetra. Amazonie, 1,637 kilao amin’ny 44,4 metatra, handefa sary amin’ny INPE isaky ny dimy andro. Manodidina ny 8,426 kilometatra toradroa ny ala ao Amazonie very tamin’ny taona 2020. Antony nansoika ny INPE handefa faran’izay haingana an’i Amazonie 1 hanara maso izany.

Laisser un commentaire