Maurice : Mbola maro ireo mponin’i La Réunion tonga ao an-toerana
Na dia miakatra aza ny vidin’ny tapakilan’ny fiaramanidina mampitohy an’i La Réunion sy Maurice dia mbola misafidy ny hihazo an’i Maurice ny mponin’i La Réunion amin’ny fotoam-pialan-tsasatra. Ankoatran’ny mampifanakaiky ireo nosy rahavavy ireo dia anisan’ny tena mahasarika ny mponin’i La Réunion ho ao an-toerana ny fahamoran’ny fombafomba ara-pitantanana. Karatra famantarana toy ny kara-panondro ihany mantsy no ilaina raha hiampita ao amin’ny nosy.
Iray volana sisa dia tonga ny fotoam-pialan-tsaratry ny mpianartra ao La Réunion. Efa misy masoivoho mpikarakara fialan-tsaratra naharay famandrian-toerana maro ao an-toerana raha ny fanazavana. Ankoatran’i La Réunion kosa dia toerana maro mpankafia ihany koa i Rodrigue sy i Afrique du Sud.
